Nanatanteraka fitsidihana amin’ny fomba ofisialy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala, ny masoivohon’ny Repoblika Afrikanina Atsimo, i Khazamula Lawrence Chabane, omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna, Analakely izany. Tanjon’ ny fihaonan’ny roa tonta ny fijerena ny fiaraha-miasa azo tanterahina eo amin’ireo tanàna lehibe any Afrika Atsimo sy Antananarivo Renivohitra. Voaresaka tamin’izao fifanakalozana izao koa ny lohahevitra maromaro. Anisan’izany ny fiaraha-miasa amin’ny firenena aty amin’ny faritra Atsimon’i Afrika. Eo koa ny fanamby iombonana amin’ny fanatsarana ny tontolo an-tanàn-dehibe. Manampy izany ny fifampizarana traikefa sy fomba fiasa. “Manokatra làlana ho amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra maro ity fihaonana ity”, hoy ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala.
Etsy andaniny, nitohy tamin’ny fandraisany ny delegasionina, notarihin-dRandrianatoandro Nirina, mpiandraikidraharaha ao amin’ny konsilin’i Hongrie eto Madagasikara izany. Nifantoka tamin’ny sehatra maromaro ny dinika teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Anisan ‘izany ny fanaovana ho niomerika ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ny fanatsarana ny fahombiazana ara-pitantanana sy ny maha zava-dehibe ny fahazoana vokatra.
Synèse R.