Minisiteran’ny Mponina : Hovatsiana fitaovana sy vola ny vehivavy

Nambaran’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurelie, fa vonona ny minisitera hanohana sy hanampy ireo fikambanam-behivavy mijoro ara-dalàna.

Nanteriny fa mba tsy ho an’ny Andron’ny 8 mar­sa ihany no hijerena azy ireo. “Hatao mandavantaona ny hetsika hanohanana azy ireo. Hanampy tosika ara-pitaovana sy ara-bola ny fanjakana, miainga amin’ny tetikasan’izy ireo”, hoy izy. Hisitraka izany avy hatrany ireo fikambanam-behivavy mi­isa 20 eny anivon’ny distrika amin’izao telo volana voalohany izao. Nambarany fa homena tohana sy vola izy ireo noho ny maha andry iankinan’ny fampidiram-bola ny vehivavy sady manampy ny raim-pianakaviana eo amin’ny fiainana andavanandro. Nenta­niny sy nampirisihiny hiditra anaty fikambanana ny vehivavy, arakaraka ny talenta sy faniriany avy. Homena fiofanana arakasa avy, arahin’ny tohana ara-pitaovana sy vola koa. Anisan’ny hisitraka izany ireo reny miahy irery ny ankohonany, ireo nilaozam-bady fa bevohoka. Eo koa ireo narian’ ny vadiny. “Hampirisihina izy ireny hioitra sy tsy hivary lavo. Eo hatrany ny minisitera hanohana azy ireo”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa efa nangonina avokoa ireo tetikasa voasivana ary efa eo am-pijerena ny hanatanterahina izany ny minisitera. Harindra, araka izany koa, ny fampiofanana azy ireo miaraka amin’ny fanaraha-maso ny dingana samihafa aorian’izany.

Synèse R.

Partager sur: