Hotanterahina any Toamasina, manomboka ny 21 hatramin’ny 23 febroary ho avy izao, ny fanombohan’ny tetikasa “Tanora mandrafitra ny ho avy”. Araka ny fanambarana nataon’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), i Marson Moustapha Abdulah, omaly, tetsy Mahamasina, miisa arivo mahery eo ny tanora omena fiofanana araka asa eto Madagasikara, amin’ity hetsika ity.
Mizara roa ity fiofanana ity, voalohany izay hiarahana amin’ireo mpiara-miombona antoka, toy ny fikambanana iraisam-pirenen’ny frankofonia (OIF) sy ny Pnud. Ary ny faharoa, hiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ara-teknika. Tanjon’ity paikady politika ho an’ny tanora ity ny hananan’ireo tanora malagasy fahaleovan-tena amin’ny famoronana asa.
Tsara marihina fa zava-dehibe tokoa ity tetikasa karakarain’ny MJS ity. Efa tafiditra anatin’ilay fihaonamben’ny tanora “Youth Connekt Summit 2025”, izay hotontosaina eto Madagasikara, ny 26 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao, izany. Ampahatsiahivina ihany fa efa nisy ny fiofanana izay natao niaraka tamin’ny OIF, ny volana desambra lasa teo, ary miisa 80 teo ireo tanora nisitraka izany.
F.R