Filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina: Manohana ny kandidàn’i Madagasikara ny Sadc

Hotanterahina rahampitso, ao Addis Abeba, ny fifidianana ny ho filohan’ny Vondrona afrikanina (UA). Resy lahatra amin’ny firotsahan’ny kandidà, malagasy, Randriamandrato Richard ireo firenena afrikanina.

Anisan’ny efa nanao fa­nambarana fanohanana sy resy lahatra amin’ny firotsahan-kofidin-dRandria­mandrato Richard ireo firenena miisa 16 mivondrona eo anivon’ny Sadc, amin’izao fifidianana ny ho filohan’ny vaomieran’ny UA izao. Anisan ’izany ny RD Congo, ny Nosy Maorisy, Zimbaboe ary i Zambia. Manampy azy ireo ny i Esoatini, Lesotho, Angola, Botsoana, Kaomoro, Mozam­bika, Malawi, Namibia, Sey­chelles. Miaraka amin’i Afrika Atsimo sy ny Namibia ary i Tanzania. Samy nanamafy izany fanambarana fanohanana izany avokoa ireo minisitry ny Raharaham-bahiny na koa ny misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena avy amin’ireo fanjakana eo anivon’ny Sadc ireo.

Fandresen-dahatry ny minisitry ny Raharaham-bahiny

Etsy andaniny, efa nihetsika nitsidika sy nitety firenena afrikanina maromaro ny eo anivon’ny diplaomasia malagasy amin’ny alalan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata. Nam­­barany fa maro ireo firenena afrikanina resy lahatra amin’izao firotsahan’i Mada­ga­sikara hofidina ho filohan’ny vaomieran’ny UA izao. Ani­san’izany ny any Senegal ka nandraisan’ny filoha Bassirou Diomaye Faye azy sy ireo delegasionina notarihiny.
Tsiahivina fa hanomboka rahampitso hatramin’ny alahady izao, ao Addis Abeba, ny fihaonana an-tampon’ny UA. Handray anjara amin’izany ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta afrikanina. Hanamarika izany ity fifidianana izay ho filohan’ny vaomieran’ny UA ity.

Synèse R.

Partager sur: