Fandaharanasa iarahana : Nampivoatra ny teny ifotony ny Pnud sy ny MFFT

Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, ny solontena maharitry ny Pnud, Dr Edward A. Voaresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.

Anisan’ny nifanakalozana tamin’izany ny fanohanan’ny Pnud, amin’ny alalan’ny MFFT, ny fandaharanasa « Rindra ». Miompana amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fanatsarana ny fitantanana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ho amin’ny fampandrosoana tsy mitanila sy ho an’ny rehetra. Anisan’izany ny fandaharanasa “Landja”. Misehatra amin’ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fanjarian-tsakafo ity farany. Ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitantana eny ifotony sy ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena amin’ny fampandrosoana na ny AIED no hiseharany. Manampy izany koa ny tetikasa ho an’ny lafintany, ho fanatsarana ny fitantanana maharitra sy fampandraisana anjara ny eny ifotony. Anisan’ ny misitraka izany ny eto Ana­lamanga, Atsimo Andrefana sy Androy ary Anosy. Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ny Pnud amin’ny minisitera ho fampiroboroboana ny toekarena sy ny tontolo iainana.

Fametrahana filaminana sy fandriampahalemana

Etsy andaniny, anisan’ny fandaharanasa iarahana amin’ny Pnud koa ny “Mahasaky”. Fanamafisana ny fampiroboroboana ny jono sy ny fitantanana ny harena an-dranomasina. Manampy ireo ny fametrahana filaminana sy fandriampahalemana maharitra amin’ny tangorontendrom­bohitr’Andriry na ny “Andriry Milamy”. Miainga amin’ny diniky ny mpiara-monina mba ham­pirindra ny fiarahamonina.

Synèse R.

Partager sur: