Hotanterahina, anio, ao Addis Abeba, ny fifidianana ny ho filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA). Miisa telo ireo kandidà hofidina ka anisan’ireo mpifidy amin’izany ny filoha Rajoelina Andry.
Miisa telo ireo kandidà hifaninana ho filoha ka anisan’izany ny minisitra teo aloha, Randriamandrato Richard. Efa nahazo ny fanohanana sy fankatoavan’ny firenena eo anivon’ny SADC sy ny avy amin’ireo firenena afrikanina miteny Frantsay (Frankofonia) ny tenany. Kandidà anisan’ny mpifaninana amin’izany toeran’ny filohan’ny Vaomieran’ny UA izany koa ny filoha kenyanina teo aloha, Rayla Odinga, ary ilay teratany djibosianina, i Mahamoud Ali Youssouf. Hanamarika manokana izao fihaonambe faha-38 eo anivon’ny UA izao ity fifidianana ity. Anisan’ireo handray anjara amin’izany fifidianana izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry.
Etsy andaniny, anisan’ny hiompanan’ny fivorian’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny goverenemanta hivory koa ny firosoan’i Afrika amin’ny fikatsahana ny fanonerana ireo takaitra navelan’ny tantara, araka ny lohahevitra amin’izao fihaonana izao. Anisan’ izany ny fanjanahantany sy ny fanaovana ampihimamba ny harenany.
Fifanakalozana malalaka aty Afrika
Hodinihina koa ny fandrosoan’ny fanatanterahana ny “Agenda 2063”. Ny fanafainganana ireo tetikasam-pampandrosoana ara-ekonomika sy ny fanamafisana ny faritra ifanakalozana malalaka «Zone de libre échange» eto Afrika.
Efa nigadona any Addis-Abeba, omaly, ny filoha Rajoelina Andry, miaraka amin’ireo delegasiaonina tarihiny. Nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina ny minisitry ny Fanabeazana Etiopianina, ny Pr Berhanu Néga. Efa ao an-toerana ihany koa ny minisitry ny raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, sy ny kandidà ho filohan’ny Vaomieran’ny UA, Randriamandranto Richard.
Synèse R.