Notanterahina tetsy Anosy, tao amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), ny faran’ny herinandro teo, ny fivoriana fakan-kevitra. Tafiditra ao anatin’ny famolavolana ny Drafitra ifotony ho fanajariana ny Tany (Dift) izany. Miisa valo ireo toerana sy kaominina misitraka izany any amin’ny faritra Androy. Anisan’izany ny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Beloha, Tsihombe, Tranoroa, Betanty Faux Cap, Ambondro, Antanimora Atsimo, Andalatanosy, Ampamata. Nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny MFFT fa anisan’ny dingana iray nentina mifampizara ireo vokatry ny asa fanadihadiana natao teny ifotony. “Hampidirina ao anatin’ny fandaharanasa izany fakan-kevitra izany ary hotanterahina eny amin’ny faritra voakasika. Hotanterahina avy hatrany ny 20 febroary ho avy izao”, hoy izy ireo.
Tsiahivina fa maromaro ireo teknisianina eo anivon’ny MFFT niatrika izao fivoriana izao ary nakana ny hevitra ho fanatsarana mba hanaraka ny fenitra sy politikam-panjakana ny fandaharanasa. “Natao hifandraika ihany koa amin’ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana eto amintsika izany”, hoy ihany izy ireo.
Samy nahatonga solontena niatrika izany ny avy amin’ireo kaominina tafiditra ao anatin’izao Dift izao.
Anisan’ny hitondra ny fampandrosoana ny eny ifotony ny fandaharanasa iarahana amin’ny MMFT tahaka izao.
Synèse R.