“Nanambara ny fahavononany hitondra fanovana azo tsapain-tanana ho an’i Afrika, i Madagasikara”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, tany Addis-Abeba.
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao Addis-Abeba ny andiany faha-38 amin’ ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy governemantan’ny Vondrona afrikanina. Mandray anjara feno amin’ ireo adihevitra sy fivoriana any an-toerana ny Filohan’ny Repoblika izay mandala ny firaisankina sy ny fiaraha-mientan’ireo firenena afrikanina. Ambeti-tenin’ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny fandraisam-pitenenany, ny tokony hananan’ireo mpitarika vina mitombina sy azo tanterahina mba hitondra fanovana azo tsapain-tanana ho an’i Afrika.
Mandray amim-pireharehana ny firotsahan-kofidiny i Madagasikara, ary mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fanoloran-tenany tsy mihozongozona amin’ny idealy sy ny hetahetan’ny kaontinanta.
Maneho ny faniriany handray anjara feno amin’ny fanamby sy ny fahafahan’i Afrika, i Madagasikara. Amin’ ny alalan’ny fandraisana anjara mavitrika amin’ity hetsika ity. Mikasa ny hanohy ny ezaka ataony amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa isam-paritra, hampiroboroboana ny firaisankina ary hampirisika ny fampandrosoana iraisan’ny rehetra ao anatin’ny Vondrona afrikanina ihany koa. Ankoatra izay, manamafy ny fahavononany hiara-kiasa akaiky amin’ ny fikambanana Pan-Afrikanina ihany koa i Madagasikara. Mba hampiroboroboana ny fandriampahalemana, ny filaminana ary ny fampandrosoana maharitra eto Afrika.
Mino