Lova Ramahefason : « Mahomby ny fianarana mozika ampitain-davitra »

Endri-pampianarana mozika, manaraka ny toetrandro ny ampitain-davitra. Anisan’ireo nisantatra izany teto amintsika i Lova Ramahefason, mpampianatra gitara.

Ny taona 2019 no nitsiry ny hevitra voalohany… Somary natosiky ny toe-draharaha nisy nandritra ireny vanim-potoan’ny Covid ireny izany. Nandroso ny fampianarana mozika ampitain-davitra i Lova Ramahefason, izay atao amin’ny alalan’ny “Zoom”. Toy ny zava-baovao rehetra, nisy ny fisalasalana tany am-boalohany ho an’ireo mpianatra, saingy rehefa nahita ny vokatra izy ireo dia niroso lalina kokoa. “Mahomby ny fampianarana mozika ampitain-davitra satria afaka mifampiresaka mivantana, toy ny mifanatrika ihany ny mpampianatra sy ny mpianatra. Manala olana marobe izay, raha toa ohatra ka any ivelany ny mpianatra”, hoy ny nambaran’i Lova Ramahe­fason.
Mazava loatra fa miankina tanteraka amin’ny teknolojia ity endri-pampianarana mahazo vahana amin’izao fotoana ity. Anisan’ny manampy amin’ izany ny “logiciel’ natao hamakiana ireo “partitions”. Na izany aza, paikadim-pampianarana malagasy no hampiasain’ity mpampianatra mozika ity. Ankoatra ny maha fampianarana azy, mila miorim-paka koa ireo mpianatra. “Saika zanaka malagasy monina any ivelan’i Madagasikara ireo mpianatro. Fotoana iray mba hahafahan’izy ireo mifanerasera amina Malagasy sy miteny malagasy koa ny fianarana gitara. Mifototra amin’ireo hira malagasy ihany koa ny fampianarana na dia manaraka ny fivoarana maneran-tany aza”, hoy izy.
Ankoatra ny fampianarana ampitain-davitra, miandraikitra ny sampam-pampianarana gitara ao amin’ny Centre académique de musique Rama­he­fason i Lova. Mandray mpianatra eto an-toerana ihany koa izy, ary mitovy tantana hatrany ny fomba fampianarana na ny anaty efitrano na ny ampitain-davitra.

Zo ny Aina

Partager sur: