TARATRY ny KANTO

Nodimandry ny alahady teo Rakotofika. Anisan’ireo mpanakanto zokiny mpitahiry ny jijy sy ny saovan’Antananarivo izy. Namolavola ireo tanora mpanao sôva, indrindra ry zareo teny Ankazomanga. Anisan’ny mpampiakatra azy mijijy an-tsehatra i Rossy, rehefa manao seho eto Antananarivo.
Tsy mandaitra intsony ny ozona? Hevi-diso tanteraka. Misy zava-tsy mitohoka matoa io no mitranga. Hoy indray ny hafa: « tsy misy izany tody izany ». Diso ihany koa, satria, ny atao rehetra eto ambany masoandro, manody avokoa. Raha tsy manody, efa ela no potika ity tany iainan’ny zanakolombelona ity. Fotom-pahalalan’ny Malagasy ireo. Tena mbola mandaitra… tsy azo andramana!
Manana ny maha izy azy ny Malagasy. Lasan-ko vavany ihany io, satria, tsy misongadina akory ireo maha izy azy ireo. Ny Malagasy aza tsy mahalala akory fa ireto ilay maha izy azy. Ny an’ny hafa indray no lazainy fa azy. Raha tsy miverina mijery ny fototra tany aloha ny Malagasy, ho diso fangitra iaingana. Noho izany, diso zava-tratrarina. Antony mahatonga ny Malagasy ho kilalaom-bahiny hatramin’izao.
Nomen’i Njakatiana hohirain’Izy 3 ilay hira “Anatra”. Nasain’i Njakatiana ny tarika mba haneho voalohany izany an-tsehatra, omaly. Avy hatrany dia voarain’ireo mpankafy ny nanaovaon-dry Fanilo Poppin’s, Dougl ary Antsaly ilay hira. Efa vita fandraisam-peo ka navoaka hankafizin’ny besinimaro ihany koa izany. Tsy ho ela ny rakitsary.

Partager sur: