Mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena momba ny asa ny fanavaozana nataon’ny fitondram-panjakana ny lalàna mifehy ny asa, araka ny nambaran’ny talen’ny biraon’ny OIT, Frederick Muia. Noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, ny tenany, afakomaly. Hatao “Digitalisation” koa ny fitsarana momba ny asa.
Nanatanteraka ny asa tanamaro niarahana tamin’ny vahoaka, nanala ireo fako misavovona sy nanentsina ny lakandrano, ny depiote Andriamampandry Todisoa sy ny mpanolotsain’ny CUA, avy amin’ny Tim, omaly. Nanolotra fanampiana koa izy ireo. Nisitraka izany ny eny Ankazomanga sy ny eny Ambohimanarina.
Nasongadin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tao amin’ny TVM, omaly, fa dingana lehibe sy manan-tantara ny nanatrehana ny fivorian’ny Vondrona afrikanina (UA), farany teo. Anisan’izany ny nanolorana kandidà ho filohan’ny vaomieran’ny UA. Ny nahazoana toerana ho mpikambana, ny handraisana ny fivorian’ny COI sy ny Sadc…
Hahazoana tombony ny fanovana rafitra raha mitaha amin’izao vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izao, araka ny nambaran’i Laza Razafiarison. “Azo atao ny miady hevitra amin’ny hanaovana ny pasipaoro any amin’ny faritany… Tapahin’ny distrika ny fahazoana manorina CSB na EPP… Tokony hanao fifanekena vaovao ny faritra rehetra”, hoy izy.