TSELATRA

Mpitondra moto iray tapaka tongotra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy, tetsy Fenoarivo, afakomaly. Niseho teny amin’ny RN1, PK 1, akaikin’ny CEG Ambohimasina, fokontany Ambohimasina, kaomininina Alakamisy Fenoarivo, tamin’ny 4 ora hariva, ny loza.
Nisongona kamiao lehibe iray izy io, ary nifanena tamin’ny fiara Peugeot iray izy no tra- doza. Nikasoka tamin’ilay retroviseur an’io fiara io, ny familian’ny moto nentiny ka nianjera izy. Vokany, tapaka ny tongotr’ilay mpitondra moto.
Tsy mandray voafonja intsony ny ao Maputo, ao amin’ny fonjan’Antanimora, amin’izao. Naato vonjimaika ny fampiasana io toerana io, izay hipetrahan’ireo olona nofonjaina vonjimaika sy ireo manefa ny saziny. Noho ny fahatsapan’ny minisitry ny Fitsarana fa resaka kolikoly ny antony nandraisana io fanapahan-kevitra io.
Tovolahy iray, 23 taona, maty nianjeran’ny rarivato tamin’ny tamboho, tetsy Analamahitsy, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Nifatratra tao amin’ny trano fonenany avokoa ireo. Olona telo no natory tao an-trano tamin’io fotoana io. Voa mafy vokatry ny fianjeran’ny vato ny efitra nisy an’ilay tovolahy maty io. Avotra soa aman-tsara kosa ny olona roa hafa.
Fiara efatra potika vokatry ny fianjeran’ny trano misy rihana dimy, andalam-panamboarana, tetsy amin’ny Rocade Iarivo, ny talata lasa teo. Nianjera vokatry ny ora-nikija io trano io, tamin’ny 7 ora hariva teo. Nahagaga ny mponina ny fianjeran’ity trano ity, raha ny fanazavana voaray. Naorina tao anatin’ny telo taona io trano io.

Partager sur: