TSELATRA

Renim-pianakaviana iray, 45 taona, matin’ny herinaratra avy amin’ny andrin-jiron’ny Jirama tetsy Ankazomanga. Naka ny zavatra nalatsaky ny zanany tao anatin’ilay rano izy no nanahavoakasika poto ka niharan-doza. Nosintomin’ny herinaratra teo amin’ny roa segondra teo ity farany. Mangataka ny hitadiavana vahaolana mahakasika ireny poto eny anelanelan-trano ireny ny mponina, mba hisorohana ny loza tahaka izao.
Lehilahy dimy nampidirina vonjimaika am-ponja ao amin’ny fonjan’Ankazobe, rehefa natolotra ny fampanoavana tao amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany Ankazobe, afakomaly. Fantatra fa mampiasa sy manaparitaka vola sandoka ny telo tamin’izy ireo. Nangalatra kisoa sy namaky trano kosa ny roa hafa.
Renim-piankaviana iray efa mahia sy tsy afa-mihetsika intsony no hitan’ny mponina tao anaty ala, tany Androva, omaly. Efa nentina notsaboina eny anivon’ny hopitaly any an-toerana izy, taorian’izay. Mbola tsy fantatra kosa ny fianakaviany hatramin’izao. Raha ny fantatra, tsy manana trano honenana sy mipetra-drery izy io, ary efa saika maty izy no nisy nahita.
Nisy zavatra nipoaka tamin’ny fiaran’i Nantenaina, mpanakanto, nandritra ny fanodinana “clip” tany Amparantanana, Fenoarivo Atsinanana, ny alarobia 19 febroary 2025 teo, tokony ho tamin’ny 06 ora hariva. Tsy tao anatin’ny fiarany izy tamin’ny fisian’ny tranga. Nahitana triatra kosa ny fiara tandrifin’ilay fipoahana, raha ny nambarany.

Partager sur: