Tapitra omaly ny lalao fanomanana hiatrehana ny Chan 2023, izay atao any Algérie, ny 13 janoary hatramin’ny 4 febroary. Nirava ady sahala samy tsy nisy nitoko ny fihaonana teo amin’ny Barea de Madagascar sy Niger, omaly. Lalao izay natao tao amin’ny kianjan’ny La Cigale Tubarka Tonizia.
“Mbola misy foana ny lesoka fa efa mahafinaritra fa tsy nidirana baolina isika. Ny zava-dehibe dia mihatsara ny filalaontsika. Azo lazaina fa hitondra vokatra tsara ny Barea amin’ny Chan”, hoy Rakotondrabe Romuald na i Rôrô, mpanazatra.
Ady sahala izany no vokatra tsara indrindra nentin’ny Barea hiatrehana ny Chan 2023. Tsiahivina fa efa resin’i Congo Brazzaville tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Barea, ny 6 janoary lasa teo. Marihina fa amin’ny 13 janoary i Rado, mpilalao an’i Fosa Junior Boeny no tonga hamonjy mivantana azy ireo any Algérie. Tsy afaka hilalao kosa i Carlos amin’ny lalao voalohany.
Ankoatra izay, mety hisy lalao farany hataon’ny ekipa malagasy amin’ny 12 janoary any Constantine. Ny 15 janoary kosa vao hiakatra kianja ny Barea amin’ity Chan 2023 ity, ary ry zareo Kintana maintin’i Ghana no hifanandrina amin’izy ireo amin’izany. Ao amin’ny vondrona “C” no misy ny ekipa malagasy, izay ahitana an’ Ghana sy Maroc ary Soudan.
Fitia (Mpianatra asa)