Fiofanana mankany Chine : mamofompofona risoriso ny fifantenana ireo atleta

Afaka iray volana raha tsy misy ny fiovana, no hanainga eto Madagasikara hihazo an’i Chine ireo atleta malagasy. Hiatrika fiofanana ho fiatrehana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), hatao eto Madagasika­ra. Araka ny fanadihadiana natao, mitranga sahady ny antsojay isan-karazany, amin’ny fifantenana ireo atleta.
Anisan’ireo mahatonga ny disadisa, ny tsy fahalalana mazava ny fetr’isa, ho an’ny federasiona tsirairay. Samy manana ny filazany avokoa na ireo tomponandraikitra na ireo teknisianina na ny filohan’ny federasiona. Miovaova toa izany koa ny masontsivana, hifantenana ireo atleta. Ma­mofompofona risoriso, raha ny filazan’ireo atleta ity fiofanana any Chine ity.

Betsaka ny resaka mandeha fa mitaky vola amin’ireo ray aman-dreny na ireo atleta mivantana ireo mpanazatra. Eo koa ny fanilihana amin’ny fomba tsy mazava, mba hampidirana ny zanaka na havan’ireo mpitantana ny federasiona.

Heno koa fa mitady hirika hitondrana ireo olom-pantany koa ny eo anivon’ny minisitera. Manoloana izany, miantso ny tomponandraikitra eo anivon’ny komity olympika ma­lagasy (COM) sy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena (MJS) ary ny Bianco, ireo atleta hijery akaiky ity fiofanana any Chine ity. “Aoka izay mendrika no hisitraka sy handeha hiofana fa tsy olona hitsangantsangana”, hoy izy ireo.

Tompondaka

Partager sur: