“Tamatave Midera”: hiray sehatra ry Meva Gospel, TGC ary ry Jaw’s Band

“Aleo atomboka amin’ny fiderana an’Andriamanitra ny taona vaovao”, hoy ny fanentanana. Tarika mpanao gospel malaza telo no hampiaraka ny talentany mba haha goavana ny “Tamatave Midera”…

«Midira eo amin’ ny vavahadiny amin’ny fisaorana, ary ao an –kianjany amin’ny fiderana”. Andian-teny ao amin’ny Soratra Ma­sina, nosafidiana manokana hitondrana ny “Tamatave Midera” io. Seho sy fiderana an’Andriamanitra, ankalamanjana ary ho goavana indrindra no tanjona amin’izany. Hotontosaina ny alahady 29 janoary izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, manoloana ny La Mairie Toamasina.
Goavana satria tarika mpivoy ny gospel telo, izay an­isan’ny malaza indrindra amin’izao fotoana izao no hiaraka an-tsehatra mandritra izany. Ny Meva Gospel, izay tarika teraka tao Toamasina ary misy mpikambana any an-toerana sy eto Antananarivo. Ny Tana Gospel Choir, izay anisan’ny efa ela indrindra anatin’ny fivoizana ny Gospel, ary ny Jaw’s Band, izay niaka-daza be nandritra izay dimy taona nisiany izay. Tsy vitan’izay fa olombelona manodidina ny 200 isa eo no hiara-hisalahy mandritra izany, ahitana ireo mpanakanto, mpandihy ary ny mpikarakara isan-tsokajiny.
“Hisy fiderana goavana be iarahana amin’ireto ekipa rehetra ireto. Anatin’ny fanomanana tanteraka izahay izao. Miara-manomana, miara-ma­merin-kira satria hiaraka hi­hira”, hoy i Heman, mpitarika ny Meva Gospel. “Tarika telo fa Andriamanitra iray ihany no deraina ka hanandratra ny voninahiny isika”, hoy kosa i Coach Fidy, mpitarika ny TGC. “Toamasina no hanombohantsika azy, fa hirariana hiparitaka manerana an’i Ma­da­ga­si­kara izany”, hoy i Jao, lehiben’ ny Jaws Band, namarana ny fanentanana. Efa nisy ny fitambaran-kira iray notontosain’ireto tarika ireto, entina hampahafantarana ity hetsika ity.
“Natao amin’ny toerana malalaka, mahazaka olona maro ary efa mahazatra ny eto Toamasina ity fiderana lehibe ity. Nahazo tombony manokana izahay hanombohana izany tetikasa goavana izany, satria tsy mora ny mampiaraka ana­ty seho iray ireto tarika telo samy manana ny maha izy azy eo amin’ny Gospel ireto”, hoy kosa ny filazan’ny mpikara­kara.

Zo ny Aina

Partager sur: