Anisan’ireo mpanoratra mampamiratra ny teny malagasy izy. Hampahafantarina anatin’ny « Sehatry ny mpanoratra » i Fanja Razah sy ny sanganasany. Hisy ihany koa ny fihaonana mivantana aminy.
«Manan-jo ny Teny no manan-tsata ihany koa, ka … andriano ho zary hasina hanasinan-Tanindrazana ny Tenindrazanao »
Andalana notsongaina tamin’ilay tononkalo “Izay resy… mandro an’ava!”, asa soratr’i Fanja Razah io. Ampy hitarafana ny hafatra voizin’ity mpanoratra ity, anatin’ireo sanganasany maro dia maro. Nosafidiana hampahafantarina anatin’ny “Sehatry ny mpanoratra” i Fanja Razah. Fandaharana mandritra ny iray volana izy ity, izay hanasongadinana mpanoratra iray. Mety ho mpanoratra, tanora, vao misondrotra, fa sehatra ihany koa hahafantarana bebe kokoa ireo andrarezina toa an’i Fanja Razah izany. Misy ny fampahafantarana ao amin’
ny kaonty facebook an’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Ao ihany koa ny fandaharana manokana amin’ireo haino amanjerim-panjakana. Fa ivon’ny fampahafantarana kosa ny fihaonana mivantana amin’ny mpanoratra, fanao ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. Hotontosaina rahampitso ny tafa mivantana amin’i Fanja Razah, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro.
Iza moa i Fanja Razah?
Razafimamonjy Georges Eugène Fanja no anarany feno. Nisafidy ny solon’anarana Fanja Razah izy, eo amin’ny tontolon’ny literatiora. Ankoatra ny maha poeta sy mpanoratra azy, mpikaroka momba ny teny eny amin’ny Akademia Malagasy koa ny tenany. Nanomboka ny taona 1980 izy no nanoratra tononkalo. Nanaraka avy eo ny tantara fihaino, sombin-tantara, tantara foronina, angano, sns. Saika nahenoana ny sanganasany avokoa ireo onjampeo mpandefa tantara fihaino. Efa nentina an-tsehatra ihany koa “ Ilay diarin’i Vero”, sombin-tantara noforoniny ka novelomin’ny tarika Beez art tao amin’ny Ivokolo Analakely. Nitarika atrikasa maro, indrindra mahakasika ny fanoratana sy fiantsana poezia, ny fanoratana tantara foronina, ny fitsipi-pitenenana sy fanoratana ny teny malagasy, ny lalana nodiavin’ny teny malagasy, sns koa izy. Maro ireo nanao asa karoka na velakevitra avy amin’ny asa soratr’i Fanja Razah, indrindra ireo mpianatra avy amin’ny zanatsehatra Malagasy. Anisan’ny boky efa navoakany ny “Rano sinara-Nosy”, izay tantaran-tantara nahazo ny voalohany tamin’ny loka “Nihry-Lanto 2019”. Teo ihany koa ny sombin-tantara “Tsoakahitra”, “Angalikanto”, sns.
Zo ny Aina