Tsy ho ela dia afaka miverina mamaky boky ao amin’ny IKM Antsahavola indray ireo efa zatra izany. Nanolotra boky vaovao ho an’ity Ivokolo ity ny Librairie Il Etait Une Fois sy ny fikambanana Trait d’Union. Boky vaovao ho an’ny ankizy, ny tanora ary ny lehibe ireo. Misy ho an’ny mpianatra sy ny efa miasa ihany koa. Afaka manatona misoratra anarana ireo liana.
Hira evanjelika. Hira ara-pilazantsara… Rehefa momba ny finoana, mety ho voabango anaty anarana tokana. Mari-pamantarana ny zava-miseho ao anatin’ny vanim-potoana iray voafaritra mazava izy ireny. Rehefa mizaka ny tsy eran’ny ainy ny mpiara-monina. Miha maro ny hira evanjelika heno, etsy sy eroa… Tazana io ankehitriny, saingy, miroborobo manaraka izany koa ny sanganasa tsy misy fototra mazava.
Nisy ny fanisana ireo mpanakanto ao amin’ny faritra Atsinanana, omaly. Nantsoina, araka izany, ireo mpanakanto any an-toerana hanatrika ny atrikasa, notarihin’i Miarakandro Ghislaine. Ny maha zava-dehibe ny fanisana ny mpanakanto dia ny hananana tahiry hampiasaina isaky ny misy filana mpanakanto. Misy akony amin’ny asa maha mpanakanto matihanina izy ity.
Manana ny anjara toerany lehibe eo amin’ny fiarahamonina malagasy ny raiamandreny. Fahiny, ny fiarahamonina no mametraka azy ireny ho to teny sy mpiahy ny fahendrena. Taty aoriana, nofidiana, notendrena. Mbola raiamandreny ve no iantsoana azy ireny? Miray fo amin’ny mpiara-monina ve izy ireny ?… Amin’izao fotoana, ahitana raiamandreny tsy mipi-bolo.