Raha ny fanamby aloha, tena ambony dia ambony. Mety ho hetsika hampiaka-daza ny mozika malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena mihitsy aza ny “AfroMada Music Awards 2025”.
Maro ny lanonam-pankasitrahana mpanakanto noho ny sanganasany maneran-tany. Te hilahatra amin’ireny efa fanta-daza ireny ny “AfroMada Music Awards 2025”. Hetsika haka endrika “festival” ho an’ny mozika afrikanina izy ity, no lanonana fanomezana fankasitrahana ireo mpanakanto afrikanina mendrika ihany koa. Ny mampiavaka indrindra azy? Hatao aty Madagasikara ny andiany voalohany, ny volana mey ho avy izao.
“Tanjona ny hanehoana firaisankina sy firaisan-tsaina eo amin’ny samy mpanakanto sy ny mpisehatra amin’ny zavakanto aty Afrika. Sady manasongadina ny kolontsaina izay, no manome lanja ny asa manodidina ny mozika ihany koa”, hoy ny fanazavana nomen’i N’Guessan Koffi, fantatra amin’ ny anarana hoe Dr Falafala. Izy no lehiben’ny komity mpikarakara, sy tompon-kevitra amin’ny “AfroMada Music Awards”. “Nosafidiana i Madagasikara noho ny harena ara-kolontsaina ananany. Hampivelatra ny firenena eo amin’ny lafiny kolontsaina ny hetsika, satria manana mpanakanto manan-talenta maro i Madagasikara”, hoy hatrany i Dr Falafala. Tsiahivina fa ankoatra ny maha mpamokatra hira sy hetsika ary mpihira azy, mpamoron-kira efa niara-niasa tamin’ireo Malagasy mpanakanto maro, toa an-dry Big Mj, Tence Mena, Jazz MMC, sns, ity teratany ivoarianina ity.
Raha ny vinavina, hisy mpanakanto sy mpisehatra eo amin’ny tsenan’ny mozika afrikanina sy iraisam-pirenena maro ho avy eto amintsika amin’io fotoana io. Efa nivoaka ireo sokajy isafidianana, izay miisa 29, izay azo tsidihina ao amin’ny www.afromadamusicawards.net. Tazana amin’ izany fa tena mivelatra ny fifaninanana. Tsy ho latsa-danja kosa anefa ireo Malagasy mpanakanto, satria homena sehatra goavana, amina fampisehoana famaranana ny he-tsika izy ireo. Efa nivoaka ny lisitra voalohany, ahitana an-dry Big MJ, Ceasar, Tence Mena, Rim-K, Jazz MMC, Mr Sayda, Général Degré, Ceis, Wendy Chatalina, sns. Eo ihany koa ireo mpanakanto afrikanina tarihin’i Dr Falafala, ahitana an’i David Tayorault, Mary Jo, Mavokali, Kandice, El Passi, sns, miampy ireo Malagasy mpikosoka kapila sy afrikanina.
Mbola hanome ny andinindininy misimisy kokoa ny mpikarakara.
Zo ny Aina