Tsy andrenesam-peo: Miova be ny hira malagasy

Feo hoenti-mihira, novaina. Ny tononkira, novaina. Fa tsy handrenesam-peo ny tompon-kira. Raha tsy eo intsony izy ireo, tsy misy miteny na manitsy ireo mpamerina aty aoriana? Io tranga io hanova ny tantaran’ny hira malagasy, atsy ho atsy. Manjary ilay naverin’ny mpanakanto ankehitriny no lasa fototra. Ilay feo an’orona mikentsokentsona no heverin’ireo tanora ankehitriny fa namoronana ilay sanganasa tany am-boalohany.
Ho an’ny hiran’ny omaly, ohatra. Feo mazava, no mifanaraka aminy. Noho izany, tsy tokony hiova amin’izay raha tiana ny hitazona ny fototra. Ankehitriny, misy mamerina mihira ny hiran’ny omaly amina feo sahaza ny hira sy gadona vahiny. Tsy andrenesam-peo ireo mpahay momba ny hira. Ny sasany aza vao mainka mandoka.
Manampy trotraka, ilay « mamerina » mihitsy no lasa niova dika? Ny sasany mandray azy io ho « famerenana tsy misy fepetra, fa izay tiana hanaovana azy ». Ny hafa, « mamerina tahaka ny nahenoina azy hatrany am-boalohany. Katsahina mba tsy hifanalavitra amin’ny nataon’ny tompony ». Ireo fifanoheran-kevitra ireo indray no andrenesam-peo any amin’ny mpahay momba ny hira fa tsy ilay hira « simba » na « potika ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: