« Art plastique » : Hampiranty ny « Art’ Raoty » i Zongo Bilaky

« Art’ Raoty », fampirantiana hanasongadinan’i Zongo Bi­laky ny fahaizany mifehy ireo heverina ho akora na zavatra tsy ilaina na tsy ampiasaina intsony eo amin’ny andavanan­drom-piainana. Ranty hotanterahina ao amin’ny La Teintu­rerie Ampasanimalo, ny 6 marsa ka hatramin’ny 4 avrily izao.
Ankoatra ny maha zavakanto ny « Art’ Raoty ». Ani­san’ny fandraisana anjara lehibe amin’ny fitandroana ny hatsarana sy fahadiovan’ny tontolo misy eo aminy ity sanganasan’i Zongo Bilaky ity. Ma­nentana sy mampahatsiahy ny olon-drehetra fa ilaina sady ahavitan-javatra kanto ireo akory heverina fa fanary ta­haka ny tavoahangy, potika lamba, kapila mangirana (CD)…
Araka ny hevitr’ity mpanakanto manana ny maha izy azy ity raha namintina ny seho endriky ny « Art’Raoty » sy ny hevi-dehibe fonosiny. «… Tsy voafefy ny aingampanahiko. Miankina amin’ny zavatra hi­tako no ampiasaiko. Maka na mividy ireny akora heverina fa tsy ilaina eny La Réunion Kely ireny aho. Mampiasa ny loko rano sy ny loko menaka…  Art’ Raoty , eto, azo adika sy mitovy hevitra amin’ny araraoty amin’ ny teny malagasy. Fotoana fanararaotra hanomezan-danja zavatra iray na maro­maro izao, mba tsy ho tratra aoriana ny fanaovana izany ». Raha manjifa ny sanganasa miaro ny tontolo iainana tahaka izao ny Malagasy, toerana maro no hadio. Hiova tsikeli­kely hanaraka izany koa ny toe-tsaina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: