TARATRY ny KANTO

Antsoina hatrany ireo manana tetikasa momba ny zavakanto sy ny kolontsaina, handefa izany amin’ny Commission de l’océan Indien. Misokatra ho an’ireo manam-pikasana hikarakara hetsika ara-javakanto toy ny fifaninanana talenta, foara, festival, fiofanana, atrikasa sns izany. Hovatsian’ny COI ireo tetikasa mahaliana, ana­tin’ny fampivoarana ny indostrian’ny kolontsaina sy ny famoronana. Manana hatramin’ny 24 marsa ireo liana.

Vakisehatra ho an’ny ady hiragasy ny alahady 2 marsa izao, etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Maha­ma­sina. Hifandona, mandritra izany, ry Sahondrafinina za­nany avy any Andohavary sy ry Rapaulson Fenoarivo. Izay indray vao hiverina ny hiragasy eto Antananarivo, ary izay koa vao hisokatra indray ho an’ny besinimaro ny Kianjan’ny Kanto taorian’ny fanatsarana natao.

Hizara ny afrobeko ry Mbaoé. Tarika iray ivondronana tanora milomano tanteraka antin’ny mozika ny Mbaoé. Ny anaran’ny tarika no mety vaovao, fa ny mpikambana sy ny mozikany kosa efa fanta-daza. Hizara ny sanganasany etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo izy ireo, ny zoma 28 febroary izao. Afrobeko, izany hoe, mifototra amin’ny mozika avy any atsimo, laroina gadona afrikanina no voizin’izy ireo.

« Aleo mahita toy izay hitantarana », hoy i Omega Rabeson, iray amin’ireo mpikambana mandrafitra ny tarika Jeneraly. Ny 28 febroary izao, manomboka amin’ny 8 ora alina, ao amin’ny Hotel Les Cygnes, Mandrosoa Ivato, no hanoloran’ny tarika iray manontolo, ireo hira nahafantarana azy. Amin’io rahateo no hamalian’ny tarika Jeneraly ny hetahetan’ireo ho tonga eny an-toerana. Hohiraina ny hira hangatahin’ny mpanatrika.

Partager sur: