Tsy masina an-taniny : Miandry vahiny ny zava-drehetra

Raha eo amin’ny kolontsaina sy ny kolo saina ary ny fomba amam-panao amin’ny ankapobeny, voasokajy ho ao anatin’ny tany tatsinanana i Madagasikara. Tsy izay loatra, anefa, no hita raha ho an’ny fihasinana manokana. Ny tany tatsinanana, fatra-piaro sy manome hasina ny kolontsainy. Ny Malagasy, fatra-panivaiva ny azy. Ny Malezianina, ny Indonezianina (samy firenena tatsinanana ireo), manana didy sy lalàna faran’izay henjana hampiharina amin’ireo manimbazimba ny kolontsainy. Ny an’ny Malagasy, ny momba azy (tany, teny, fomba amam-panao…), tsy misy hasina aminy. Ny mpaminany tsy masina an-taniny ?
Saika tetikasa vatsian’ny vahiny vola na fitaovana no hoentin’ny kolontsaina malagasy « mihetsika » sy manao zavatra. Miainga any amin’ny bitika indrindra ka miafara any amin’ny goavambe. Ny vahiny indray no liana sy miaro ary manome aina ny kolontsaina malagasy. Na ireo heverina fa kolontsaina na zavakanto hitarafana ny hambom-po malagasy aza, tsy tazana… Mbola miandry vahiny?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: