TARATRY ny KANTO

Hisy fanehoana “slam” amin’ny fifaninanana basikety “Smatchin”. Antsoina ihany koa ireo mpianatra ambaratonga ambony manan-talenta amin’ny poezia, mba hisolo tena ny sekoliny, ka ho avy hivory anio manomboka amin’ny 3 ora, etsy amin’ny IKM Antsahavola. Hatao fifaninanana ihany koa ity, izay hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taona nidiran’ny “slam” teto Madagasikara.
Hamaly ny fangatahan’ireo mpankafy azy eto an-drenivohitra i Shyn. Ho avy manokana izy sy ny tariny, hanafana ny La Balançoire Ankorondrano, ny alin’ny zoma 28 febroary izao. Tafiditra anatin’ny hetsika “Vip Zone, back to 2000”, fikarakaran’ny SR Event izy ity. Ny mampiavaka azy, mampifandray ireo mpankafy ny taona 2000 sy ireo zandry taty aoriana i Shyn.
Mampiomana ireo mpankafy azy i Lôla. Taona fiverenana ity 2025 ity ho azy, hanamarihany ny 25 taona an-tsehatra ihany koa. Efa nomen’i Lôla ny daty amin’ny fampisehoana goavana voalohany: ny alahady 30 septambra ao Antsahamanitra. Alohan’izay anefa, efa hisy ny fiarahana ny zoma 7 marsa izao, etsy amin’ny La City Ivandry. Sady mamerina ireo hirany taloha no mizara ireo vaovao ihany koa i Lôla.
Manomana seho goavambe ny tarika Iraimbilanja sy ny tarika Kiaka. Efa nisy, saingy mbola handrandrain’ny mpankafy ny mozika rock hatrany ny fiarahan’ireto tarika zokiny ireto. Ho tanteraka indray izany amin’ity taona ity, satria efa nanipy ny daty ny mpikarakara: alahady 4 mey, ao Antsahamanitra. Efa ao anatin’ny fanomanana ny tarika roa tonta.

Partager sur: