Talenta miavaka, tafaraka an-tsehatra. Niaina seho iray tsy mbola fahita ireo mpankafy tonga teny amin’ny CCI Ivato. Seho lafatra no natolotr’i D-Lain sy Denise…
Samy mikatsaka ny lafatra. Io ny toetra iombonan’i D-Lain sy Denise, amin’ny maha mpanakanto azy ireo. Nofinofy efa tany amin’ny 15 taona tany ny hampiara-peo amina sehatra goavana iray, ka tontosa omaly izany. Vao niditra ny efitranon’ny CCI Ivato dia efa nahatsapa izany fiavahana te hanome ny tsara izay ireo mpijery. Feno kosa ny fepetra rehetra amin’ny maha seho matihanina, vao naneno fotsiny ny feon-kira voalohany nampiditra an-tsehatra an’i D-Lain. Nisesy ry “Hazo lava”, “Lanitra fahafito”, “Vangio”, sns. Narahina soradihy sy notrotroin’ireo mpitendry matihanina, ka tsy nisy madilana hotetenina fa voky ny maso sy ny sofina. Ny fanahy koa…, indrindra tamin’ilay hira “Ato am-ponay foana”, nandona ny atifanahin’ny rehetra. Toraka izany koa ny “Misenge”, nampihetsiketsika am-pitoerana ny mpijery nameno ny trano.
Tsy latsa-danja tamin’izay nataon’i D-Lain nandritra ny tapany voalohany, ny nentin’i Denise sy ny tariny, nandritra ny anjarany. Noteteziny avokoa ireo hira nanamarika ny dian’i Denise tanatin’ny mozika, toa ny “Jalousie”, “Tsy masahy”, “Tsara joro”, sns. Tsy nisy nidilatra fa araka izay nandrasan’ny mpijery avokoa izany. Nihoatra noho izay nandrasana aza, satria noporofoiny mihitsy ny fifehezany ny sehatra.
Mazava loatra fa ny fampiaraham-peon’i D-Lain sy i denise no tena nandrasan’ny rehetra fatratra. Nataon’izy ireo nangetaheta mafy ireo mpijery, vao nisy izany. Samy nahatsapa tany anatiny ny fidonan’ilay fampiarahana talenta kosa ny rehetra, na ireo tety ambany na ireo teny an-tsehatra. Hafa mihitsy ny fivoakan’ny “Mimoza”, hiran’i Dama, nindramin’ireo mpanakanto ireto. Teo koa ny “Tiako hanjeky”, hira nanehoan’i D-Lain sy Denise ilay fampiaraham-peo voalohany.
Lafiny fikarakarana, lany avokoa ny tapakilan’ny seho. Dingana iray lehibe no tontosa ho an’ny Louvto Company.
Zo ny Aina




