TARATRY ny KANTO

Tontosa omaly ilay fandaharana mivantana tamin’ny tambajotra, nentanin’i Hanta Ramakavelo sy i Mirana Haller. Nanodidina ny lohahevitra “Teny ma­lagasy iainana” sy ny “Laka –Laza” ny famakafakana nentin’izy mirahavavy nandritra izany. Izay mahazo laka dia manjaka ka malaza. Ahoana no atao mba hahazo laka izay tsara ao anatin’ny tena? Eo amin’izay sahanina? Ahoana no hampitaina izany eo amin’ny fiarahamonina? Santionan’ny resadresaka ireo.

Tsara fiditra ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny tarika Zandry Gasy. Namaly ny antso ireo mpankafy ny alin’ny zoma teo, tetsy amin’ny Piment Café Behoririka. Nasesin’ny tarika ireo hirany nanomboka tany amin’ny rakikira voalohany “Vakoka sy soatoavina”, nandalo ny faharoa “bà gasy mazia romotra” ka hatramin’ireo forona faramparany, entin’ny Zandry Gasy manamarika ny fankalazana. Hisy ny seho goavana, ato ho ato.

Tomefy olona ny Kianjan’ny Kanto Maha­masina, omaly. Mpankafy hiragasy, tonga nanatrika ny vakisehatra ho an’ity taom-pilalaovana 2025 ity, ireo. Niditra an-tsehatra voalohany ry Sahondrafinina zanany, efa tsy zoviana amin’ireo mpankafy intsony. Nama­ly izany ry Rapaulson avy eny Mandiavato, izay efa fanta-daza eo amin’ny tontolo ihany koa. Miandry ny ady hiragasy manaraka indray.

Partager sur: