Faribolana Sandratra : Andiany faha-XIII ny « Zarafanahy »

Anisan’ny miavaka eo amin’ny hetsika fanao sy manandrify ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny poezia » ny « Iray volan’ny poezia » fanaon’ny Faribolana Sandratra. Ho an’ity taona ity, tafiditra ao anatin’ny andiany faha-XIII ny « Zarafanahy ». Seho an-tsehatra hotanterahina ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy Analakely, ny 22 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
Amin’ny maha zara fanahy azy, mpanoratra sy poeta samy manana ny « tany nitsimohany » no hanatanteraka azy ity : Mioty Voary sy Rato­lojanahary, Ranirhy, Lalaina Ravahy (Soamahatsangy), Indiamahery (Madagaslam), Hantganoro (Havàtsa-Upem), Radzaonasy (Mpizaka Ste­larim), Arielatra (Faribolana Sandratra, Mahefa Kantom­boahary (Faribolana Sandra­tra). Hisy ny famoahana boky hikambanana mandritra ity hetsika maimaimpoana ho an’ny rehetra ity.
Manana ny heviny lehibe ny « zarafanahy ». Fizarana fanahy (aingampanahy), fizarana sehatra, fizarana ny tsara ho fantatra any amin’ny tsirairay (mpanoratra, poeta, fikambanana, …). Eo ihany koa ny fametrahana ho zava-dehibe ny fihaonana sy fifankahalalana eo amin’ireo samy mpisehatra amin’ny tontolon’ny soratra, hisian’ny fifanakalozana sy fifankahalalana bebe kokoa hatrany.
Anisan’ny tombony lehibe azo avy amin’ny fifampizarana tahaka izao ihany koa ny fanairana ny talenta miafina any amin’ireo mpanatrika.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: