Tanterahina eto Antananarivo ny dingana faharoa amin’ny « Poésie des 4 Horizons ». Nanomboka ny 2 marsa teo, tsy hifarana raha tsy ny 9 marsa. Hafatra ho an’ny fandriampahalemana, antso ho an’ny tanora no hampitain’ireto mpanoratra mandalo eto Madagasikara ireto. Ny 7 marsa izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva, ao amin’ny Cité des Cultures, no hampita ny fanilon’ny poezia ny ekipan’i Marc Alexandre Oho Bambe. Handray anjara amin’izany i Na Hassi.
Nodimandry teo amin’ny faha-80 taonany ilay mpihira malaza Herbert Leonard. Araka ny nambaran’ny vadiny, homamiadan’ny avokavoka no nahazo azy. Raha tsiahivina, anisan’ny nampanakoako ny hatsaran’ny feony naneran-tany ny hira : « Pour le plaisir », « Châteauvallon », « Amoureux fou ». Vitsy ihany, anefa, no mahalala ny tena fanoratana ny anarany: « Hubert Loenhart ».
“Féminin Pluriel”, fampirantiana ireo sanganasan’i Dina Rabearivelo. Hotontosaina eny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina izy ity, ny 8 marsa, Andro raisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, hatramin’ny 5 avrily izao. Natao hitarafana indrindra izay maha vehivavy izay ireo hosodoko maromaro notsongain’ny mpamorona haranty. Misokatra ho an’ny besinimaro, manomboka amin’ny 10 ora maraina, hatramin’ny 4 ora hariva izany.
Inah, Batata Irambilanja, Benny Lôlô sy ny tariny ary i Mbola Talenta. Fiarahana an-tsehatra tsy mbola nisy ity, izay hotontosaina voalohany ao amin’ny Piment Café Behoririka, ny zoma 7 marsa ho avy izao, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Mihodidina amin’ny fampiaraham-peo miavaka eo amin’ireo mpanakanto efatra, izay azo antoka fa hivelatra amina karazana mozika maro izany.