Hira ho an’ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora. Fampitan-kafatra amin’ny alalan’ny fihetsika sy fitafy mahasarika ny ankizy… Ampahany mampiavaka an’i Zook Davids amina mpanakanto hafa ireo. Fantatra fa hanatanteraka fampisehoana mitomandavana any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny izy. Hetsika tafiditra ao anatin’ny « Tour Sud de Madagascar », hotontosaina ny 22 marsa ka hatramin’ ny 1 avrily izao. Saika hahazo ny anjara sehony avokoa ireo tanàn-dehibe lalovan’i Zook Davids. Anisan’izany ny ao Fianarantsoa, Ambalavao, Ihosy, Sakaraha ary Toliara. Maimaimpoana tsy misy vidim-pidirana ny fanatrehana ireo seho tanterahiny amin’izany. Ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy no mikarakara ity « Tour Sud de Madagascar » miaraka amin’i Zook Davids ity.
Marihina fa amin’ny ankapobeny, miompana bebe kokoa any amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy fitaizana ny ankizy sy ny tanora ny kanto ataon’i Zook Davids. Saika hananany rahateo ny gadon-kira rehetra mifandraika amin’izany. Manome lanja ny halehiben’ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny fitahiana azo avy any Aminy (Andriamanitra) ny tononkira.
Ankoatra ny talenta amin’ ny famoronan-kira, fitendrena zavamaneno, fihirana. Anisan’ ny manampy indrindra an’i Zook Davids, amin’ny fampitan-kafatra sy ny fifaneraserana amin’ny ankizy sy ny tanora ny maha mpampianatra sy mpanabe azy.
HaRy Razafindrakoto