Hiavaka ny seho. « Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia ». Hanatanteraka io teny voarakitra ao anatin’ny Salamo io ny Jazz Club CGM/GZ. Amin’ny alalan’ilay fampisehoana « Jazz Fiderana » no hanehoan’izy ireo izany ny 16 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Kristy Velona Andavamamba. Ho heno ao anatin’ireo sanganasa holalaovin’ny Jazz Club CGM/GZ fa azo atao tsara ny mampifanindran-dalana na mampiaraka ny jazz sy ny tontolon’ny aim-panahy na ny fivavahana. Tsy vitsy rahateo ireo hira na feonkira hoenti-midera ny halehiben’ny voninahitr’Andriamanitra no afaka lalaovina amina jazz.
Marihina fa ankoatra ny famolavolana sy famohazana ny talenta amin’ny fitendrena zavamaneno na fihirana, anisan’ny manome lanja lehibe ny fifanakalozana koa ny Jazz Club CGM/GZ. Ity vondrona na sehatra fikarohana sy fampianarana ity rahateo no ahitana ireo mpiangaly jazz anisan’ny zoky mpizara traikefa maro.
Manome toerana lehibe ihany koa ny fampahafantarana ny dingana sy ny ezaka vitan’ny mpikambana ao aminy. Iray amin’ireny ny seho tahaka ny « Jazz Fiderana », ny « Jazz@tohatohabato », anisan’ny seho lehibe indrindra aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, raha eo amin’ny tontolon’ny jazz.
HaRy Razafindrakoto