Kolokitra : notolorana loka ireo ankizy mpilalao baolin’ny EPP Andavamamba

Notolorana fanomezana ireo ankizy mpianatra ao amin’ny EPP Andavamamba, teny Alarobia, omaly. Izy ireo izay tompondaka tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Kolokitra, nanomboka ny volana jolay lasa teo.

Notanterahina omaly teny amin’ny “Show-room” Yamaha Ala­ro­bia, ny fanolorana ny loka, toy ny baolina kitra, ho an’ireo ankizy mpilalao baolina ao amin’ny EPP Andava­mamba. Tsiahivina fa izy ireo no nibata ny amboara tamin’ny fifaninanana baolina kitra ho an’ireo sekoly fototra, izay nokarakarain’ny Kolokitra, nanomboka ny volana jolay lasa teo.
Araka ny boky izay no­soratan’Andriambolanoro Mireille, filohan’ny Koloki­tra, natao hanabeazana ireo ankizy tsy hanary ny fako plastika fa hanangona izany mba ho lasa baolina hahafahan’izy ireo milalao ary manadio ny tanàna sy ny tontolo iainana ny fifaninanana.
Marihina fa ity tetikasa ity dia notanterahina niaraka ta­min’ny masoivohon’i Alle­magne, ny Cisco Antanana­rivo Renivohitra, ny Kaomi­ni­na Antananarivo Renivohi­tra (CUA), ny Zap rehetra eto Antananarivo Renivohitra ary ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa.
Araka ny fanambarana nataon’ny lehiben’ny kaomisionina ara-panatanjahantena eny anivon’ny CUA, efa ho avy ny andiany faharoa amin’ ity fifaninanana ity, ary hoezahina mba ireo mpianatra amin’ny CEG sy Lycée indray no handray anjara amin’izany.
“Faly dia faly tokoa izahay, satria nahazo ny loka. Araka izany, tsy ny filalaovana baolina kitra ihany nefa no tombony azon’ireo mpianatra ato amin’ny EPP Anda­va­mamba, fa nahazo fanabeazana ara-tsaina, mba tsy hanary ireo fako plastika fa hamadika izany ho lasa baolina.” hoy Razanamalala Jeanine, talen’ny EPP Anda­vamamba.
“Misaotra an’ireo mpiara-miasa rehetra, indrindra ny CUA izay nanome ny ki­anjan’Alarobia, nahafahana nanantanteraka ny fifaninanana”, hoy ny filohan’ny Kolokitra.
Notolorana baolina avokoa ireo EPP 12 nandray anjara tamin’ity fifaninanana andiany voalohany ity.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: