Maro ny mpilalao baolina kitra malaza, nandeha nisotro ronono. Isan’ny tena misongadina amin’izany i Gareth Bale, mpilalao an’i Pays de Galles sy i Hugo Lloris, kapiteny frantsay ary i Blaise Matuidi, mpilalao frantsay ihany koa. Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo tao anaty tambajotran-tserasera nanomboka ny alatsinainy lasa teo.
“Rehefa nandinika ny tenako dia vonona ny hanambara fa mitsahatra hatreo ny baolina kitra amin’ny sehatra iraisam-pirenena na amin’ny klioba ho ahy”, hoy i Gareth Bale, 33 taona, mpilalaon’ny Real de Madrid teo aloha.
“Misy ny fotoana tsy maintsy hijanonako ka tsy afaka ny hiaraka amin’ny ekipam-pirenena frantsay intsony aho, fa hijanona ho mpanohana. Ilaina ny manolotra ny toerana ho an’ireo zandry, ary efa hitako fa misy afaka mandimby ahy ao”, hoy i Lloris, 36 taona mpilalaon’ny Tottenham, Anglisy.
“Baolina kitra, tena tiako. Betsaka ny soa azoko tamin’io saingy tonga ny fotoana tsy maintsy hijanonana. Efa tanteraka daholo ny nofinofiko rehetra ary efa tratra ny tanjona ho ahy. Misaotra ry baolina kitra.” Io ny fanambaran’i Blaise Matuidi, 35 taona, mpilalao nibata ny amboara eran-tany tao amin’ny ekipa frantsay ny taona 2018.
Ankoatra azy telo lahy ireto, tsiahivina fa i Benzema mpilalao frantsay sy i Eden Hazard mpilalaon’i Belzika koa dia nisotro ronono tamin’ny ekipam-pirenena, tamin’ny volana desambra lasa teo.
Fitia (Mpianatra asa)