Iray volan’ny teatra: Hisy hetsika maro hotontosaina

Na mitsipozipozy aza, tsy maty ny teatra eto Madaga­si­kara. Mbola eo ireo mpise­hatra miezaka mampiaina izany sehakanto izany, na dia sahirana eo amin’ny efitrano hiseharana aza. Hanamarika ny Iray volan’ny teatra, fanao isaky ny volana marsa isika. Hetsika maro no hotontosaina mandritra izany, ka anisan’
ireo manana fandaharam-potoana maro indrindra ny Alliance française etsy Anda­va­mamba sy ny IFM Anala­kely.
Mavitrika sy mitarika hetsika maro anatin’ny fankalazana ny Compagnie Miangaly. Misy ireo atrikasa sy fanehoana, toy ny “Improludik et eclats d’impro”, izay manasongadina ireo tsy nomanina. Manomana tantara fisehatra maromaro ny Cie Miangaly, hasehony mandritra ny hetsika: «Rien-volution», «Coup de théâtre», «Ma­damaramose Tale…»; sns, izay hanehoana ny teatra maoderina. Eo koa ny velakevitra roa, “«Elles: Femmes et auteurs de nouvelles histoires» eny amin’ny AFT Anda­va­mamba, ny 20 marsa, sy ny «Parlons théâtre», etsy amin’ny IFM Analakely, ny 19 marsa.
Ankoatra ny Cie Miangaly, eo koa ireo tropy mpanao teatra malagasy, fantatra amin’ny piesy klasika toy ny Lisin’Iari­vo, izay hitondra an-tsehatra indray ny “Mitovy fa tsy sahala”, ny 9 marsa amin’ny 3 ora, eny amin’ny IFM Analakely. Eny amin’ny AFT Andava­mam­ba kosa “Ilay fitia tsy mipaka” ny 23 marsa amin’ny 3 ora. Hiakatra ny sehatry ny IFM ihany koa amin’ity ireo Sa­kaizan’ny Teatra avy ao amin’ny Lycée Rabearivelo. Hitondra ny “Le Lamba” sy ny “Fitia maroloko” izy ireo ny 15 marsa amin’ny 2 ora.

Zo ny Aina

Partager sur: