TARATRY ny KANTO

Mandalo an-tanindrazana i Voahirana. Hisy ny fiaraha-midera miaraka aminy, izay hotontosaina anio manomboka amin’ny 5 ora sy sasany, etsy amin’ny Pietra Analakely. Hanotrona an’i Voahirana mandritra izany ny tarika Antsa an’i Kristy, izay efa nisy azy. Eo koa i Rojo Ny Avo sy i Lovatiana. Efa niatrika ny famerenena niaraka tamin’ireo namany mpitendry izy.

« Femmes, audace, héritage : portraits ». Fampi­rantiana saripika tanterahina eny amin’ny Maison de la photo Anjohy, hanomboka ny 12 marsa izao. Fane­hoana an-tsary ny tantara niainan’ireo vehivavy nanana ny lazany teto amin’ny firenena. Anisan’izany ny mpanjaka Ranavalona I izay nitazona fatratra ny fiandrianam-pirenena. I Victoire Rasoamanarivo, nisongadina ta­min’ ny fitazonany ny finoany. Marihina fa tsy hifarana ity ranty ity raha tsy any amin’ny volana jona 2025.

Hisy fifaninanana Slam, karakarain’ny fikambanana Nifin’Akanga sy ny ADMC Craam eny Ankatso. Hotontosaina anio izy ity, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Manodidina ny lohahevitra fanolanana sy fifamotorana izany. 200 000 Ar ny lokan’izay voalohany, 150 000 Ar ny faharoa ary 100 000 Ar kosa ny fahatelo.

Fabrice Herizo Retro, 10 taona nanovana “Animation Rétro Dancing et Nostalgie”. Hisy ny hetsika ho fankalazana izany ny sabotsy 15 marsa izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina manariva andro, ao amin’ny Cafetaria Cc Esca Antanimena. Ireo gadon-kira nalaza tany amin’ny taona 1950 – 1960 no handihizan’ireo ho tonga eny an-toerana. Anisan’izany ny valsa, rock&roll, passo, tango…

Partager sur: