Anisan’ny foibe ivondronan’ireo mpikaroka sady ahitana voka-pikarohana maro rahateo ny MAIHA. Omaly no nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety ny fisokafany ho an’ny rehetra.
Misokatra ho an’ny rehetra ny foibe Malagasy Iray Hasina na MAIHA. Ivontoerana hikarohana sy handalinana ny fomba amam-pahendrena malagasy. Anisan’ny nisongadina io nandritra ny fampahafantarana momba ity foibe miorina etsy Ankadifotsy ity, omaly. Tanjona kendren’ny fikambanana ny hikaroka ny fomba amam-pahendrena malagasy. Hanao fandalinana, hitahiry ary hizara ho an’ireo olona liana amin’izany.
Sehatra maro no hiompanana. Ny kolontsaina, tontolo iainana, toekarena, fahasalamana, fiarahamonina… Sokajin’olona maro rahateo no hita ao amin’ny MAIHA: mpandala ny fomba amam-pahendrena malagasy, mpitsabo, mpahay lalàna, mpampianatra, mpianatra, mpitarika isan-tsokajiny, tantsaha, mpanakanto…
Seha-pahalalana iasana ny velakevitra, fanentanana, fandalinana, fifampizarana samihafa izay samy miankina amin’ny fomba fijery MAIHA. Nohamafisin-dRandriamihanta Victorio, filoha mpanorina ny foibe fa « Ny hetsika kolontsaina, fahasalamana, tontolo iainana, sns, sy izay mitondra fampandrosoana ho an’ny olombelona dia azo hanaovana fikarohana avokoa. Maro ireo fikambanana, orinasa, olon-tsotra, fianakaviana, sns, manatona ny anay. Mandray sy mihaino ny fomba fijery MAIHA amin’izay lohahevitra hoentin’izy ireo».
Hankalaza ny Taom-baovao malagasy, eny Ambohidratrimo, ny MAIHA amin’ity taona ity. Ny 27 marsa no efa eny an-toerana ry zareo ka tsy hiala eny raha tsy ny 31 marsa. Satria, hanana endrika fampianarana ny hetsika eny. Hiompana amin’ny « omby » kosa ny lohahevitra (Omby sy ny fomba, omby sy toekarena…). Ho hita eny ihany koa ireo fikarohana sy ny fampiasana izany (tanjona, tavonemboka…). Marihina fa feno 10 taona ity ivontoerana ity. Mivelatra manerana ny Nosy sy maneran-tany. Mahatratra 4 075 ny isan’ny mpikambana ankehitriny. Nahatety faritra sy sekoly maro ny MAIHA ka ho maro ny hanatanteraka ny Taom-baovao malagasy, raha ny fanazavan’ny filoha mpanorina.
HaRy Razafindrakoto