Hotanterahina anio manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Espace Aro Antsahavola, ny Zara sehatra, iarahana amin’ny Sehatra Bagasy (SBG). Omena lanja lehibe ny fandraisana anjaran’ny rehetra. Hahazo laka kosa ireo hira malagasy nanana ny lazany tany amin’ny taona 1960. Anisan’izany ny sanganasan’i Naly Rakotofiringa, JJTseheno, Rasamoelijaona, Ramaroson Wilson, Gilles Ramiarison, Rolland Raelison, Gabhy Ratsito, Henri Ratsimbazafy, Andrianary CN, Odéam Rakoto, Ranaivo-Ranarivelo, Barijaona sy Fidimalala…
Marihina fa anisan’ireo nanome tanjaka sy hery vaovao ho an’ny tontolon’ny hira ahafantarana an’Imerina ireto mpamoron-kira sy mpihira ireto. Tsy vitsy amin’ny sanganasan’izy ireo no averin’ny mpihira ankehitriny. Voamarina amin’ny hiran’ny taona 1960 rahateo fa tsy lefin’ny vanim-potoana ny kanto.
… Tsara ny famelomana indray ny hira fahiny, saingy, mila fitandremana fatratra izany mba tsy hahasimba ny hasina nananan’ny mpamorona sy ny kanto nofonosiny.
HaRy Razafindrakoto