Volana marsa, « Volan’ny teatra ». Mitohy hatrany ny hetsika sy ireo seho isan-karazany mifandraika amin’io vanim-potoana io. Ho an’ny eto an-dRenivohitra, toerana roa no ahitana izany. Ny etsy amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba sy ny Institut Français de Madagascar, Analakely (IFM). Anisan’ny hetsika hotanterahina ny 15 marsa izao, ao amin’ny IFM Analakely, sady handrasan’ny mpianatra maro ny « Le lamba et Fitia Maroloko », hotontosain’ireo mpikambana ao amin’ny Sakaizan’ny Teatra Malagasy, fikambanana miorina eo anivon’ny sekoly Lycée JJ Rabearivelo. Ao amin’ny AFT Andavamamba kosa no hanehoan’ny Kaompania Miangaly Théâtre ny « Rien-Volution », ny 12 marsa izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro.
Marihina fa anisan’ny sehatra iray manomboka mahasarika tanora ny filalaovana teatra ankehitriny. Na izany aza, mbola sakana ho an’ny fampivelarana ity zavakanto iray ity ny fahavitsian’ny fotodrafitrasa ahafahana maneho ny dingana vitan’ireny tanora ireny. Soa fa nisy ireto foibe roa ireto (AFT sy IFM) ahafahana manatontosa hetsika isaky ny « Volan’ny teatra » tahaka izao.
HaRy Razafindrakoto