TARATRY ny KANTO

Anisan’ny hampiavaka ny fankalazana ny Taom-baovao malagasy amin’ity taona 2025 ity ny fandraisan’anjaran’ny sekoly. « Hitombo izy ireo satria nahavita nitety sekoly maro izahay », hoy ny nambaran-dry zareo avy ao amin’ny fikambanana Maiha. Namba­ran’ny filohany tamin’izany fa zava-dehibe ny fampahafantarana ny taranaka ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy.
Nametraka ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy hatrany ny fankalazana ny 8 marsa nanerana an’i Madagasikara. Somary hadino sy tsy nomena lanja
loatra ny maha reny mpitaiza sy mpanabe ny vehivavy. Izany hoe, tsy afa-misaraka amin’ny ankizy, amin’ny
lafiny maro. Tomponandraikitra ny amin’ny hoavin’ny firenena.
Mbola mila fanabeazana maharitra ny tanora vao mahafantatra ny lamina voajanahary. « Tsara ny fisian’ny « intelligence artificielle » », hoy izy ireo. Tsy nanitikitika ireto tanora ireto ny atao hoe « artificielle » raha miohatra amin’ny voajanahary. Tsy olana tamin’izy ireo ny nampilahatra ny voajanahary amin’ny artifisialy.
Manana mpilalao teatra tanora sy havanana ny Malagasy, raha ny tazana tao anatin’ity « Volan’ny teatra ity ». Tsy tazana loatra, anefa, izy ireny noho ny antony maro. Iray amin’ireny ny tsy fahampian’ny fifaneraserana sy ny fifanakalozana. Matetika, ny samy mpikambana ihany no mifampianatra… Na, ireo sehatra ivelarany mi­hitsy no tsy ampy, hany ka miandry vanim-potoana vao afaka maneho talenta.

Partager sur: