Olombelo Ricky: « Efa nihoatra ny 45 taona ny nanaovana mozika… »

Nanamarika fiainan’olona maro koa ny hiran’ny Olombelo Ricky. Hotsarotsaroana mba hitoetra izy ireny, mandritra ilay seho etsy Mahamasina.

«Efa ela loatra…». Fotoana elaela izay no nivoahan’ny afisy mbola tsy feno, ka nifampanontany ny rehetra hoe inona ity fampisehoana ity? Efa fantatra taty aoriana fa fampisehoan’ny Olombelo Ricky, izay hotontosaina ny 6 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora, ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina izany. Tazana anatin’ny afisy fa fanamarihana ny dimy amby efapolo taona nidiran’i Ricky tao anatin’ny mozika ihany koa io. Nanampy ny fanazavana ny mpikarakara avy ao amin’ny Louvto Company sy ny Olombelo Ricky sy ny tariny, omaly, tetsy amin’ny Havana 67 Ha.
«Efa ela no saika hatao ity fiarahana ity, fa nisy ireny Covid ireny dia tsy raikitra hatrany. Izaho moa tsy tia milalao tarehimarika loatra, fa eo amin’ny alin’ny 45 eo ilay izy… Mihoatra an’izay anefa raha ny fotoana nanaovana mozika”, hoy ny nambaran’ny Olombelo Ricky.
Hotetezina an-kira izay vanim-potoana izay, satria samy nanana ny nanamarika azy avy. Manomboka any amin-dry “Ikalangita”, “Amo­rom-parihy”, “Mananilatany”, “Soanaly”, sns, izay efa nisy nosoratana tany amin’ny taona 1979 ireo. Mandalo ireo “Taratra hazavana”, “Adinony ianao”, sns. Hakana avokoa ireo rakikira efa nivoaka, araka izany. “Miankina amin’
izay miseho eo ny faharetany. Raha tsisy mirevy dia hajanontsika adiny iray. Raha be mpankafy kosa dia tohizantsika adiny telo sy sasany na adiny efatra mihitsy”, hoy ny vazivazin’i Ricky, mampiavaka azy hatrany.
Feno mozika, feno fitiavana. Izay raha fintinina ilay tantaran’ny 45 taona mihodidina. Tsy hain’i Ricky ny tsy hanonona ireo olobe narahiny ta­natin’ilay tontolo. Anisan’ireny ny raiamandreny, havany avy amin’ny reniny izay efa tao anatin’ny mozika talohany. Mpanao jazz sy soul ireo. Teo koa Ramy Franck Melody Jazz, satria nanao feo faharoa sy niangaly ny amponga maroanaka tao i Ricky. Tetsy ankilan’izany, nisy ny tarika Matera izay nisy azy, niangaly ny folksong. Rehefa nirotsaka tamin’ny famoronana, ny taona 1979, nanomboka nifanerasera tamin’ireo mpanakanto marolafy. I Tôty no nampiditra ny finamanana tamin-dry Solomiral, izay nitohy hatramin’izao satria i Men­drika dia mbola ao anatin’ny tarika Olombelo Ricky hatrany. Tsy ho voatanisa raha ny fiaraha-miasa sy ny toerana niara-niasa ary ny tetikasa niarahan’ny Olombelo Ricky tamin’ireo mpanakanto namany, na teto an-tanindrazana na tany ivelany. Maneho ilay tohy kosa ny endriky ny tarika amin’izao fotoana : Ricky, Mendrika, Titi ary i Rivokely no raiamandreny mpitari-dalana. Efa mahaleo mahalasana ihany koa ry Miaro Tanjona, Jahleky, sns, mifampizara ny mozika feno fanahy.
“Hisy horonantsary homaninay, hamehy izay 45 taona mahery izay. Tsara ho fantatry ny rehetra ny tantara”, hoy i Zico, tomponandraikitry ny Louvto Company, mpikarakara. Hisy fanazavana fanampiny koa mbola homena amin’ny manaraka.

Zo ny Aina

Partager sur: