Akademisianina, mpahay tantara, mpampianatra mpanabe, mpanao gazety, mpanoratra ary nitana andraikitra ambony maro teto amin’ny firenena. Maro ny azo resahina momba an’i Julien Rakotonaivo. Namela mamy ho an’ny firenena izy.
Lavo ny andrarezina… Tsy fomba fiteny fotsiny izany eto fa tena mahalaza ny zava-mitranga. Nodimandry omaly mantsy i Julien Rakotonaivo, araka ny fampitam-baovao nataon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, izay nohamafisin’ny fianakaviana. Oloben’ny kolontsaina sy ny serasera izy raha fintinina. Nahavita be teo amin’ireo sehatra ireo, teto Madagasikara ka hatrany ivelany. Mpahay tantara, mpampianatra mpikaroka tamin’izany sehatra izany. Mpanao gazety niofana tao amin’ny Centre international de Journalisme tany Paris, ary nisafidy ny hikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina. “Mahay ny teny frantsay noho ny frantsay”, hoy ny filazan’ny mpanao gazety namany azy izay. Nampisongadina azy tokoa izany, ka nahazoany mari-pankasitrahana maro toy ny “Prix Roman Inédit – New Magazine” ny taona 2000, sy ny “Meilleur reportage journalistique” ny taona 2001 sy 2002. Efa nahazoany mari-pankasitrahana ihany koa anefa ireo sanganasany toy ny « Le drame des jumeaux de Mananjary », nandritra ny fifaninanana asa soratra, mahakasika ny ady amin’ny herisetra, ny taona 2001.
Olon’ny literatiora sy ny fanabeazana ihany koa i Julien Rakotonaivo. Nampianatra tamina sekoly tsy miankina maro izy, ary efa nanana andraikitra ambony teo anivon’ny Unesco teto Madagasikara. Nanampy sy nanohana mpianatra marobe, nanao fanohanana voka-pikarohana mahakasika ireo sehatra nilomanosany, indrindra ny literatiora, tantara, serasera ary kolontsaina.
Niara-dalana tamin’izany ny naha filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Alliance Française azy, avy eo filoham-boninahitra an-taonany maro. Noho izany indrindra no nanomezan’ny fanjakana frantsay azy ny mariboninahitry ny kanto, ny teny ary ny soratra frantsay, ny taona 2023. Nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena, tamin’ireo sehatra nilofosany ireo ihany koa i Julien Rakotonaivo. Efa tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina (Ofnac) izy. Efa tale jeneralin’ny fampiroboroboana ny asa tanana ihany koa. Faramparany teo, mpikambana tao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny Ofisim-pirenana misahana ny Rovan’i Madagasikara, no anisan’ireo nandrafitra ny Komity Siantifika ihany koa. Ankoatra izay, “Chargé de mission”, nisahana ny lafiny kolontsaina teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ihany koa ity andrarezina ity.
Noho izay maha olobe azy izay no nandaniana an’i Julien Rakotonaivo ho mpikambana feno ao amin’ny Akademia Malagasy. Ao amin’ny sampana Teny sy zavakanto no misy azy, nanomboka ny taona 2023.
Zo ny Aina