Tontosa soamantsara ilay seho lehibe notanterahin’ny Tanora Masina Itaosy (TMI) tany Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo. Tsy hijanona ela fa hitohy avy hatrany eny Vontovorona izany, ny alahady 16 marsa izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Fampisehoana hotontosaina ao amin’ny « Aumonerie catholique universitaire de Tananarive (Acut) ». Ireo sanganasa fiderana anisan’ny tsy afaka am-bavan’ny olona maro no anisan’ny hohiraina amin’io fotoana io. Eo ihany koa ireo hira ahenoina rindram-peo sy rindran-javamaneno voakajy fatratra izay mampiavaka ny Tanora Masina Itaosy avy ao amin’ny Fiangonana Loteranina Ambohimasina Itaosy. Raha tsiahivina, iray amin’ireo antoko mpihira nahavita fampisehoan maro indrindra ny TMI tamin’ny taona 2025.
Marihina fa ny KTLM Fileovana Itaosy izay misy ny TMI no mpikarakara. Natao indrindra hanohanana ireo KTLM rehetra mirafitra ato anatin’ny Fileovana Itaosy (ankoatra ny TMI) ity hetsika ity. Hanampiana azy ireo amin’ny famonjena ny Zaikaben’ny Kristiana tanora Loterana Malagasy any Manakara, amin’ny volana aogositra 2025 izao.
HaRy Razafindrakoto