TARATRY ny KANTO

Lany tao anatin’ny fotoana fohy nivoahany ny tapakila! Mbola ny tarika AmbondronA irery hatreto no mahavita izany eto Madagasikara. Tsy ampy ora telo akory dia jifa avokoa ny tapakilan’ireo seho roa hotontosain’ny tarika etsy amin’ny La City Ivandry, ny zoma 21 marsa sy ny alahady 23 marsa ho avy izao. Miandry seho goavana indray izay tsy nahazo.

Ny fahendrena tsy lany andro izany mihitsy. Hendry sy lalim-pandinihana ny Malagasy. Misy ny manezaka manova… Fahiny, manome hasina ny aina ny Malagasy. Lany andro ve ny fitandroana ny aina? Fahagola, tsy sahy naka ny tain’omby mivadika ny Malagasy. Lany andro ve ny fahendrena, tsy mangalatra? Taloha, mifanao valin-tanana ny mpiara-monina. Mety ho lany andro ve ny valin-tanana?

Hisy velakevitra momba ny haisoratra homanin’ny Faribolana Sandratra, anio, etsy amin’ny Tranom­bokim-pirenena Anosy, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. “Angano, tafasiry tsy ho lany manja”, entin’i Mina Ilarion sy ny “Bibiolona na olona biby”, entin-dRakemba ny lohahevitra hofakafakaina mandritra izany. Samy havanana amin’ny angano sy ny famoronana izy ireo.

Gasy Mihanta, etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka. Rahampitso manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina ity fiarahana ity, miaraka amin-dry Yvon sy ny tariny. Mozika gasigasy ranoiray, hampiditra sahady ny fetin’ny taombaovao malagasy ity hoentin-dry zalahy ity. Hifangaro ao ny forona sy ny famerenana efa mahazatra ny tarika.

Partager sur: