Niezaka namaritra ny atao hoe kanto, amin’ny alalan’ireo sanganasany Ranomenjanahary Rija na i Rij’Art. Tsy ho lefin’ny vanim-potoana ny mozika miaina misy fanahy. Hanoy izany hatrany izy.
Ny taona 2018 no nanombohan-dRanomenjanahary Rija na i Rij’Art nikirakira ny mozika. Milalao sy mandalina ny mozika miaina sy misy fanahy. Io no azo isokajiana ny mozika lalaovin’i Rij’Art. Mirona kokoa amin’ny fanomezana lanja manokana ny fampiasana ireo zavamaneno maivana toy ny gitara tsotra, korintsana sy ireo miaraka aminy ny tovolahy. Manome hasina ny famoronana tononkira mitaiza, manabe ary mampita hafatra sahaza ilay fanahy ananan’ny Malagasy. Mivelatra amina gadonkira maro samihafa izy fito mianadahy mandrafitra ny tarika Rij’Art ankehitriny.
«Ngôma», nivoaka ny taona 2024. Anisan’ny sanganasan’i Rij’Art maro mpankafy. Manasongadina ny hanina sy embona ny tanindrazana rehefa any an-tany lavitra. Manetsika sy mamoha indray ny tokony hananana ny fitiavan-tanindrazana noho izy sarobidy loatra. Nandimby ny «Ngôma» ny «Ianao no mahalala». Sanganasa mirakitra fifankatiavana lehibe sy makandiry eo amin’olon-droa, nivoaka ny volana febroary tamin’ny taona 2024 ihany.
Nomarihan’i Rij’Art fa ny fahombiazana nentin’ity tsanganasa ity noho izy be mpankafy tao anatin’ny fotoana fohy no nanosika azy hanohy hatrany sy hiroso lalina amin’ny fikirakirana ny mozika. Rahampitso, zoma 14 marsa, alina, ao amin’ny No comment Bar etsy Isoraka no hian-tsehatra izy fito mianadahy haneho ny voka-kantom-pikarohana noketrehin’izy ireo.
Ankoatra ny fivazoana eny an-toerana ireo sanganasan’ny tarika Rij’Art, hisy ihany koa ny findramana ny kanton’ireo mpanakanto hafa amin’ny maha «cabaret» ny hetsika. Any Ampefy kosa ry Rij’Art no hankalaza ny fetin’ny Paka amin’ny alalan’ny fanatanterahana seho goavana. Marihina fa Zanak’Itasy, Ranomenjanahary Rija na Rij’Art.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto