TSELATRA

Nahiditra vonjimaika am-ponja ireo roa lahy voarohirohy tamin’ny famonoana ho namono nahafaty an-dRazafitiandrazana Olivier, ny alahady lasa teo. Taorian’ny fitsarana natao azy ireo tany Bambous (Maurice), omaly. Niaiky izy ireo fa nanindrona ny fon’io lehilahy tamin’ny tournevis. Hitan’ny polisy nanao ny fisavana io fitaovana io rehefa nokarohina teo amin’io toerana voalaza nahitana ny famonoana.
Nivadika teny Ankazobe, omaly tamin’ny 7 ora maraina ny fiara fourgon mpitatitra colis iray. Nitranga 24km tsy hidirana an’Ankazobe, lalam-pirenena faha-4, avy any Antananarivo ny nitrangan’ny loza. Nidona tamin’ny fefy rarivato ny fiara ka nivadika. Marihina fa tsy ny aina nafoy, raha toa ka efa nentina notsaboina eny anivon’ny hopitaly kosa ny naratra.
Fanatsarana fifamoivoizana eny Anosibe. Taxi-bisikileta miisa telo nandraisana fepetra noho ny fandikan-dalàna efa nataony. Anisan’ireo mpamily manao fandikan-dalàna ireto farany, raha ny fantatra. Ampidirina ambalam-pamonjana mandritra ny 10 andro kosa ireo bisikileta. Nanantanteraka ny hetsika fanaraha-maso ny fidinana ifotony ny polisy avy ao amin’ny CSP5 Mahamasina. Mitohy hatrany ny hetsika mba hanatsarana tanteraka ny fifamoivoizana.

Partager sur: