« Feo roa tafaray »: Sambany hiaraka an-tsehatra i Salomon sy i Henri R.

Tsy misy fetra ny mozika… Hanaporofo izany indray ny fiarahana an-tsehatr’i Henri Ratsimbazafy sy i Salomon. Manitikitika ny maro ny mety ho endrik’ity seho ity.

Tsy mbola nisy mihitsy hatramin’izay. Efa nisy ny hoe samy nanao ny anjarany, niaraka tamin’ny tarika nisy azy avy. Izao kosa vao raikitra ity fiarahanay ity. Fanazavana nomen’i Salomon, mahakasika ilay fampisehoana ifampizarana ny sehatra amin’i Henri Ratsimbazafy, io. “Feo roa tafaray” no nampisalorana ity seho ity, izay hotontosaina ny alahady 6 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CC Esca Antanimena.
“Tsy mitovy mihitsy ny karazan-kira ataonay, saingy mifameno. I Salomon manana ilay fomba fihirany mamelovelo, manetsika ny fo amam-panahy iny. Misy hatsaram-peo ny azy, izaho tsy manana feo am-piderana”, hoy kosa i Henri Ratsimbazafy, tsy miala amin’ny vazivazy nahafantarana azy.
Fa dia tena izay mihitsy anefa no mahalaza ilay seho: mifameno. Na samy nanomboka ny mozika tany amin’ny taona 60 aza, samy nanana ny nironany tokoa ireto andrarezin’ny mozika malagasy ireto. Noho izy ireo nampiaina vanim-potoana iray anefa, samy tsy lefin’ny taona teny ireo hiran’i Henri Ratsimbazafy sy ireo nokaloin’i Salomon. “Nanomboka tao amin’ny tarika Naly Rakotofiringa aho, ary nandalo tao koa i Henri Ratsimbazafy taorian’izy tany ivelany. Tafaraka teny foana nandritra izay taona maro izay, fa tsy mbola nisy tokoa hoe sehatra anay miralahahy irery raha tsy ity ho avy ity. Hahita boaikely roa lahy mahafinaritra ianareo”, hoy ihany koa i Salomon nanohy ny vazivazy.
“Nokatsahina mba hatao izay miavaka indrindra, satria hanamarihanay ny 15 taona tao anatin’ny fikarakarana seho io. Hanaporofoana koa fa mbola mahavita seho ary mbola tena ao anatin’ny mozika tanteraka ireto andrarezin’ny mozika malagasy roa lahy ireto”, hoy kosa i Luc Hervé Andriamihaingo, mpikarakara avy amin’ny LH Pro. Ho fampidirana ireo mpankafy ao anatin’izay ihany, nisy ny fifaninanana kely ho an’ireo mpanaraka ny pejin’ny LH Pro, natao hamerenan’ireo mpankafy ny hiran’i Henri Ratsimbazafy sy i Salomon.

Zo ny Aina

Partager sur: