Famakiam-boky: Nanjary kamboty saina ny Malagasy

Tsy ho ela, hanamarika ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny vaky boky sy ny zon’ny mpamorona » ny firenena maro. Talohan’ny taona 1975, nitana ny laharana voalohany tamin’ny famakiam-boky taty Afrika i Madagasikara. Nidina tsikelikely anefa izany noho ny antony maro samihafa. Ny tany an-tsekoly nirona be dia be tamin’ny fampiasana dika mitovy. Ny akora fanaovana boky nisondrom-bidy. Ny fahefa-mividy, nihena. Taty aoriana, nipoitra ny « internet » sy ny forongo nentiny ka lasa « génération d’écran ny ankizy ankehitriny », hoy i Nalisoa Ravalitera… Nanjary tsy laharam-pahamehana intsony ny hividy boky.
… Nomena lanja ny fitadiavam-bary sy laoka, hofantrano, saram-pianaran’ny ankizy, sns. Ny ho an’ny kibo no nimasoana fa zara raha nisy ampahan’eritreritra ha­ma­hanana ny saina amin’ny alalan’ny vaky boky. Nalaina hatramin’ny mpanoratra. Vo­katr’ireo, tsy voahaja intsony ny rohim-boky, satria, ny olo­na iray sady mpanoratra no mpitsinjara ary mpivarotra boky.
Izany hoe, ianjadian’olana sy vesatra roa lehibe ny sain’ny Malagasy. Vesatry ny adim-piainana, andaniny. Ny tsy fahampian’ny sakafon-tsaina na ny famakiam-boky, ankilany. Nanjary kamboty saina ny Malagasy. Tsy afaka mandinika firy intsony fa zara raha afa-miatrika ny anio, anio ihany. Lasa mpanao rapadango!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: