« Bapampa Glady Be » : Ho valimbaben’i Rossy amin’ireo mpanakanto zokiny

Rossy, ilay tompon’ny seho miavaka, araka ny nahafantarana azy. Hamerenana indray izany ny « Bapampa Glady Be», sy izay tohiny eo.

Efa nampiomana izy tany amin’ny fiandohan’ny taona tany… Taonan’ny fiverenana tanteraka anatin’ny mozika ity 2025 ity ho an’i Rossy, raha ny fandaharam-potoana nalahatra. Hetsika goavambe avy hatrany ny manaraka eo, ny 28 sy 30 marsa izao. «Bapampa Glady Be», fampisehoana indroa miantoana, ao amin’ny La­pan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.
«Hetsika hifandonan’ny teknolojia avo lenta sy ny mozika gasigasy, sady ho valimbabena ho an’ireo mpamorona nahitana soa izy ity», hoy ny fanazavana nomen’i Rossy mahakasika ity «Ba­pampa Glady Be» ity. Hisy, araka izany, ireo vahiny homem-boninahitra, ka ny tarika Rossy ihany no hitendry ny hirany amin’ireo seho roa ireo. Ny efa fantatra aloha dia i Tianjama, Oza Jerôme, Jean Kely, Zopanage, Prosh’Ely, Dada Samy Malagasy … Azo antoka koa fa mbola hisy ny tsy ampidirina, satria anatin’ny famerenana tanteraka ny tarika Rossy sy ireo hanampy azy ireo an-tsehatra.
«Aza manana ahiahy fa seho avo lenta no ao fa tsy seho ifandimbiasana. Ny tarika Rossy ranoiray ihany koa, fa misy fotsiny ny namana omem-boninahitra sy valimbabena», hoy ny fanazavan’ity tompon’ny Tapôlaka ity. Ny efa azo antoka aloha dia amin’io ny sehatra goavana indrindra ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, satria dia mahatratra 150 m2 izany. Ny ilan’ny lapa ihany no hiasa, hamoaka ny kalitao tadiavina. Ho maro noho ny mahazatra teo aloha rahateo ireo mpitendry hanaraka an’i Rossy an-tsehatra, satria feno tanteraka ny karazan-javamaneno maoderina sy gasigasy amin’ireo seho roa ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: