Kely sisa. Ny 14 avrily izao no tokony hanainga any Paris ny kabeson’ny Ampanjaka Toera, sy ny an’ireo mpiantafika roa lahy, miranty any an-toerana. Efa mivonona ny amin’ny fandraisana izany ny any Menabe, amin’izao fotoana. Any an-toerana ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna. Manohy ny fifampiresahana amin’ireo olom-boafidy, manam-pahefana any an-toerana ary ny fianakavian’ny Ampanjaka ny delegasionina. Hisy dingana roa mantsy ny lanonana handraisana izany. Ny voalohany, lanonana ara-panjakana, ary ny faharoa kosa, lanonana manaraka ny fomban-drazana, izay hatao any an-toerana ihany.
Zava-dehibe eo amin’ny lafiny fifandraisana ara-diplomatika amin’i Frantsa andaniny, sy amin’ny lafiny tantaran’i Madagasikara, ankilany, izao famerenana ireo kabeso ireo izao. Mizotra mankany amin’ny fanatanterahana ny fanamby napetraka.
Zo ny Aina