Nizara fisotroan-dronono voalohany ny Omda, omaly. Nisitraka izany ireo mpanakanto mpamorona, mpikambana efa maherin’ny 60 taona. Fotoana nanamafisana hatrany ihany koa ny tokony ho fantatra amin’ny zon’ny mpamorona io. Misy ireo mpikambana vao sambany no nisitraka ny fisotroan-dronono.
Anisan’ireo tanàn-dehibe hanana ny fankalazana ny Taom-baovao malagasy makotroka i Antsirabe. Ny 29 marsa, hisy ny fitsenana ny afo tsy maty, arahina fitondrana arendrina manodidina ny Araben’ny Fahaleovantena, any an-toerana. Ny 30 marsa, manomboka amin’ny 10 ora maraina, seho hiragasy lehibe. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina kosa ny tatao, sakafo atoandro (hanimpitoloha).
Mirona kokoa any amin’ny fampiasana zavamaneno maoderina ny mpitendry. Haingana be, anefa ny fivoaran’ny teknôlôjia. Io tranga io no anisan’ny mahatonga ny hira malagasy tsy hanana fototra mafy intsony. Ilay teknôlôjia mbola mila fehezina. Ilay aingampanahy, tsy voafehy, Ny fo mafana te haneho zavatra mafy… Tsy maharitra fa miserana ihany ny fitiavan’ny mpihaino ilay hira. Mbola kanto?
Hanatanteraka ny « Revinay taloha » i Mbola Talenta sy ny namany. Fampisehoana hotontosaina ao amin’ny Espace Behenjy Itaosy, ny 28 marsa izao, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva. «Revy glita sy kitonotono», ho an’ireo efa mpanaraka ny seho ataon’ireto mpanakanto manana ny mampiavaka azy amin’ny fitendrena sy fihirana hira gasigasy ireto.