Telo mianadahy mpamatsy rongony voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Aranta, kaominina Mahajanga, omaly. Rongony milanja 32,5 kg no sarona teny amin’izy ireo. Nofonosana tanaty baoritra ireo entana ireo. Nokasain’izy ireo hamidy tao an-toerana.
Voasambotry ny polisy miasa ao Tanjombato ny mpamily fiara iray nandona moto ka namoizana ain’olona teny By-pass, afakomaly hariva. Potika tanteraka ny moto niharan-doza. Nandositra ilay mpitondra fiara, saingy tra-tehaky ny mpitandro filaminana ihany. Naharenesana fofona alikaola io mpamily nandositra io, araka ny fanadihadian’ny polisy.
Namoy ny ainy ny zandary sy sivily iray vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy ireo tao Ambalavary, kaominin’i Tanambe Amparafaravola, afakomaly maraina tamin’ny 1 ora sy 45 minitra. Nanao taingin-droa tamin’ny moto ireo sivily roa raha toa ka nandeha moto nitokana ilay mpitandro filaminana. Nifandona ireo kodiaran-droa ireo ka niteraka ny loza. Manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly Amparafaravola ilay lehilahy naratra.
Sarona teo am-pihanihana fefy tamin’ny andro alina, teny Andohatapenaka, ny sabotsy 15 marsa teo. Polisy nanao fisafoana amin’ny alina no nahatsikaritra io olon-dratsy io. Nosamborina avy hatrany izy ka nentina natao fanadihadiana.